Ampemby

Ny ampemby na ampemba dia vondron-karazan-javamaniry, ao amin' ny fianakaviana Poaceae. Zavamaniry toy ny katsaka maniry amin’ ny faritra manana toetanin-jana-pehin-tany na toetany mediteraneana. Ampiasaina indrindra ho hanin’ ny biby fiompy ny ampemba. Ny karazany sasany dia volena koa mba hohanin’ ny olona. Atao hoe Sorghum ny anarana siantifikan’ ity vondrona ity. Ny karazana ampemby fihinam-boa dia ny Sorghum durra sy ny Sorghum subglabrescens ary ny Sorghum caffrorum. Ny ampemby fihinam-biby dia ny Sorghum vulgare sy ny Sorghum bicolor.
Fielezan' ny fambolena azy
[hanova | hanova ny fango]Fiaviany sy fielezany
[hanova | hanova ny fango]
Mety tao Afrika no nanirian' ny ampemby voalohany, dia ilay karazana ampemby atao amin' ny anarana siantifika hoe Sorghum vulgare. Maniry amin' ny faritra mafana ny ampemba nefa afaka maniry koa amin' ny faritra manana toetany antonony. Niitatra manerana ny faritra eto amin' izao tontolo izao manana toetany anelanelan' ny zana-pehin-tany ny fambolena ampemby, hatrany amin' ny faritra manana toetany antonony amin' ny ila-bolantany atsimo sy avaratra.
Firenena mpamboly ampemby
[hanova | hanova ny fango]Mamboly ampemby ny any amin' ny firenena sasany tao amin’ ny Firaisana Sôvietika taloha, ny firenana toa an' i Pôlônia, ny firenena maro aty Afrika, ny any Sina ary ny firenena ao Eorôpa Andrefana, indrindra i Alemaina.
Noho ny fatantezany hafanana sy haintany mandritra ny fotoana lava dia mety tsara amin’ ny lemaka midadasika ao Amerika Avaratra ny ampemba. Volena betsaka ao amin' ny faritra afovoany sy andrefan' i Etazonia ny ampemby ka ahafahana mampitombo izaitsizy ny fampiasana ity zavamaniry ity ao amin' io firenena io.
Toetrany sy fampiasana azy
[hanova | hanova ny fango]Misy poizina
[hanova | hanova ny fango]Mandra-pisian' ny voniny, ny ampemby dia misy gliokôzy mamokatra asidra sianidrika izay mahatonga azy hahafaty ny biby. Kely anefa ny asidra ao amin' ny ampemby raha volena amin' ny tany lonaka sy mitazona rano betsaka.
Fampiasana ny ampemby
[hanova | hanova ny fango]Ankoatry ny fampiasana ny ampemby amin' ny fanaovana sakafom-biby dia atao sakafon' olombelona ny voany izay totoina ho lasa koba na karakaraina ho lasa zavapisotro.
Fanakilasiana anatiny
[hanova | hanova ny fango]Zana-bondron-karazana
[hanova | hanova ny fango]Ny vondron-karazana Sorghum dia ao amin' ny zana-pianakaviana Panicoideae, ao amn' ny foko Andropogoneae (izay misy ny katsaka sy ny fary) ary zana-poko Sorghastreae (na Sorghineae). Ity farany dia ahitana vondron-karazana roa: Sorghum sy Cleistachne. Ny vondron-karazana Sorghum dia mizara ho zana-bondron-karazana enina:
- Eu-sorghum (Stapf);
- Chaetosorghum ;
- Heterosorghum ;
- Sorghastrum (Nash) ;
- Parasorghum (Snowden) ;
- Stiposorghum.
Karazana
[hanova | hanova ny fango]Indreto ny karazana ao amin' ny vondrona Sorghum, araka ny Catalogue of Life (27 Aogositra 2016) :
- Sorghum amplum Lazarides
- Sorghum angustum S.T.Blake
- Sorghum arundinaceum (Desv.) Stapf
- Sorghum bicolor (L.) Moench (na Sorghum vulgare Pers.)
- Sorghum brachypodum Lazarides
- Sorghum bulbosum Lazarides
- Sorghum burmahicum Raizada
- Sorghum controversum (Steud.) Snowden
- Sorghum drummondii (Nees ex Steud.) Millsp. & Chase
- Sorghum ecarinatum Lazarides
- Sorghum exstans Lazarides
- Sorghum grande Lazarides
- Sorghum halepense (L.) Pers.,
- Sorghum interjectum Lazarides
- Sorghum intrans F.Muell. ex Benth.
- Sorghum laxiflorum F.M.Bailey
- Sorghum leiocladum (Hack.) C.E.Hubb.
- Sorghum macrospermum Garber
- Sorghum matarankense Garber & Snyder
- Sorghum miliaceum (Roxb.) Snowden
- Sorghum nitidum (Vahl) Pers.
- Sorghum plumosum (R.Br.) P.Beauv.
- Sorghum propinquum (Kunth) Hitchc.
- Sorghum purpureosericeum (Hochst. ex A.Rich.) Schweinf. & Asch.
- Sorghum stipoideum (Ewart & Jean White) C.A.Gardner & C.E.Hubb.
- Sorghum timorense (Kunth) Buse
- Sorghum trichocladum (Rupr. ex Hack.) Kuntze
- Sorghum versicolor Andersson
- Sorghum virgatum (Hack.) Stapf